Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tsy sahy ny fanjakana : tsy nihetsika aloha ny vidin-tsolika

Tsy sahy ny fanjakana : tsy nihetsika aloha ny vidin-tsolika

Niahotra? Tsy araka ny lôjika niseho ny taona 2017 ny nitranga ny fiandohan’ny volana janoary 2018 teo. Tsy sahy nampiakatra ny vidin-tsolika, omaly 1 janoary, ny fanjakana amin’ny alalan’ny Ofisy malagasy misahana ny vokatra solika (OMH), mamoaka ny vidin-tsolika ampiharin’ny mpaninjara. Raha ny tokony ho izy, nisondrotra tokoa ny vidin-tsolika, toy ny fahita isam-bolana, araka ny vidiny eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Manamafy izany koa ny voasoratra ao anaty tetibolam-panjakana 2018 fa hiakatra 17% ny hetra  amin’ny vokatra solika satria mikendry hampitombo ny fidiran-ketra hatrany amin’ny 18% ny fitondrana.

Nanomboka ny volana desambra 2018 teo, nisy ny fifampiraharahana teo amin’ny fanjakana sy ny mpaninjara solika efatra ny hampidinana ny vidin-tsolika. Raha ny fanadihadian’ny kabinetra frantsay iray, notohanan’ny Banky iraisam-pirenena, vidiny na tombombarotra ambony indrindra ny alain’ny mpaninjara, ka mihoa-pampana ho an’ny mpanjifa. Tsy nanaiky ireo orinasa efatra, saingy voalaza fa mitohy ny fifampidinihana. Efa mafy loatra ny vidim-piainana ho an’ny mpanjifa, ary ahina ho sarotra ny taona 2018.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.