Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Toamasina : mitotongana ny fizahantany

Toamasina : mitotongana ny fizahantany

Tsy nandroso ny fizahantany teto Toamasina, ny taona 2017 lasa iny. Anisan’ny ilazana izany ny tsy fahatongavan’ireo sambo vaventy mpitondra mpizahatany taty an-toerana, noho ny valanaretina pesta nandripaka teto amintsika. Ny 25 oktobra 2017, nilaza ny minisiteran’ny Fizahantany fa ho avy eto Toamasina ny sambo vahiny lehibe iray, Costa Romantica, ny 7 novambra, tokony hitondra mpizahatany 1.800. Tokony hisy sambo iray hafa faharoa, ny Costa Aida, koa handalo taty Toamasina, ny 27 novambra 2017, mpitondra manefoefo vahiny avy any Italia, Angletera, Espaina, sns. Samy tsy nisy tonga avokoa ireo sambo lehibe ireo, noho ny pesta na nilaza aza ny minisitry ny Fizahantany fa efa nilamina ny fifampiraharahana tamin’ny filohan’ny Fikambanana iraisam-pirenena momba ny fizahantany (OMT). Niova ho ny 7 desambra indray ny fotoana tokony handalovan’ny sambo Costa Romantica, ary ny 10 desambra ny Costa Aida. Taty aoriana, nihemotra ho ny 19 desambra sy 21 desambra ho an’ireo sambo roa ireo.

Voalaza fa tsy manaiky ny handehanana aty Madagasikara ny tompon’ireo sambo ireo, satria tsy afaka ny ahiahiny amin’ny aretina pesta, ka nofoanana ny makaty Madagasikara ho an’ny taona 2017. Efa fantatry ny tompon’andraikitra eto an-toerana izany, saingy mody manome fe-potoana 45 na 50 andro  ary ovaina ny daty rehefa akaiky ny ahatongavany.

Sajo

Les commentaires sont fermées.