Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Toamasina : jiolahy iray maty voatifitry ny UIR

Toamasina : jiolahy iray maty voatifitry ny UIR

Jiolahy iray maty voatifitra tany Toamasina. Manao izay ho afany ny polisy any an-toerana amin’ny ady amin’ny asan-jiolahy…

Ny alahady 31 desambra teo tokony ho tamin’ny 4ora maraina tao Mangarivotra Atsimo, araka ny filazan’ny kaomisera Razafindahy Manitra Fleurys, nisy raim-pianakaviana voa niala taksiborosy  teo anoloan’ny trano fandraisam-bahiny iray ao Mangarivotra notafihina efa-dahy nirongo antsy lava lela. Indray nirohotra nandroba ilay raim-pianankaviana izy ireo ka lasa avokoa ny entany sy sakaosy teny aminy.

Nisy mpiambina nahatsikaritra anefa izany ary niantso polisy avy hatrany ireto farany.  Nisy “patrouille” tsy lavitra teo amin’ ilay toerana nisehoan’ny fandrobana, niezaka niditra tamin’ny lalam-pasika nandosiran’ireo jiolahy ny polisy  ary mbola nahita ireo efa-dahy nampijanona ny polisy, saingy niezaka nandositra ihany ireo jiolahy ka nirefodrefotra teo  ny basy. Matin’ny tifitra ny iray, ity farany izay tsy nahitana akory na taratasy kely

nahafantarana azy aza. Voalaza fa  tovolahy manodidina eo amin’ny 22 taona izy io.

Fitsaram-bahoaka

Mitovy amin’ izay ihany, tovolahy tokony ho 20 taona, naterin’ olona faty tao amin’ny tranom-patin’ny Hopitalibe, ny takariva ny asabotsy teo. Raha ny loharanom-baovao, matin’ny

fitsaram-bahoaka tany amin’ny fokontany Ambalamanasy ity tovolahy tsy fantatra ity. Raha jerena ireo endrika asan-jiolahy sy fahafatesan’olona ireo, samy tsy hitsitsy amin’ny

asan-jiolahy na ny fokonolona na koa ny polisim-pirenena. Izy roa ireto izany ny namarana ny fahafatesan-jiolahy, ny taona 2017 tany Toamasina.

Sajo sy Yves S.

 

Les commentaires sont fermées.