Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Rugby – «Gold Top 8» : nanampatra hery ny FTM

Rugby – «Gold Top 8» : nanampatra hery ny FTM

Nisongadina avokoa ireo ekipa lehibe, teo amin’ny andro voalohany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara «Gold Top 8», taranja rugby. Fihaonana, notanterahina teny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka. Anisan’ny nanampatra hery ny FTM Manjakaray. Nofaizin’izy ireo, tamin’ny isa mavesatra 94 no ho 3, ny 3 F5 Amboditsiry. Nanantombo tamin’ny lafiny rehetra mihitsy ny Manjakaray.

Ankoatra izay, mbola tamin’ny isa tataka be, 67 no ho 10, ihany koa no nanilihan’ny Cosfa ny UIRC. Tetsy ankilany, tsy nahatohitra ny Savony ny JSTA Ambondrona, izay niondrika tamin’ny isa 25 no ho 11. Lavon’ny US Ankadifotsy, tamin’ny isa 18 no ho 8, ihany koa ny US Ikopa. Hitohy amin’ny alahady 7 janoary ho avy izao ny andro faharoa ka hifandona ny FMT sy ny US Ikopa ary Cosfa, hifampitana amin’ny JSTA. Ny UIRC kosa, hifanazava amin’ny Savony ary ny US Ankadifotsy, hihaona amin’ny 3F5 Amboditsiry.

Torcelin

 

Les commentaires sont fermées.