Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Nitsoaka an’i Tsiafahy : karohina fatratra i Arfa Houcine Yerres

Nitsoaka an’i Tsiafahy : karohina fatratra i Arfa Houcine Yerres

KIDNAPPING 2 JAN

 Namoahana didy fikarohana i Arfa Houcine Yerres, voalaza fa nitsoaka ny fonja nitazonana azy teny Tsiafahy, ny 28 desambra lasa teo. Voalaza fa nisy niray tsikombakomba taminy nahatafavoaka azy. Niseho nandritra ny nitondrana azy io teny Antanimora ny fitsoahana. Ity teratany vahiny ity izay voasokajy ho anisan’ny jiolahy tena atahorana. Tratra tamin’ny fitazonana basy mahery vaika, izay nolazaina fa saika hifofo ny ain’ny filoha, izy io, ny volana jona. Tafiditra amin’ny resaka fakana an-keriny ihany koa izy. Ny fikambanan-jiolahy sy fisandohana andraikitra. Tsy mbola hita izy ity hatramin’izao, ary mampilaza izay manam-baovao ny mpitandro filaminana mba hampandre azy ireo haingana.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.