Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Nitsidika azy ireo ny filoha : hotsinjovina ireo tsy manan-kialofana

Nitsidika azy ireo ny filoha : hotsinjovina ireo tsy manan-kialofana

Ny alin’ny asabotsy lasa teo, nijery manokana ny olona tsy manan-kialofana amin’ny toerana maromaro eto an-dRenivohitra ny filoha. Faritra nandalovany ny teny ambanin’ny tonelina Ambanidia, Ambohidahy, ny eny Behoririka, Anosy sy Antaninarenina. Nijery ny olona mipetraka ao amin’ny foibe fandraisana ny tsy manan-trano eny Isotry koa ny tenany. Nizara sakafo sy kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro izy nandritra ny fitsidihany. Nanambara ny filoha fa hojerena manokana ny toerana azo ametrahana maharitra ny sokajin’olona ohatra azy ireny. Sakafo nentina nikarakarana ny fiavian’ny taona vaovao no nozaraina tamin’izy ireo mba hahafahany mifaly na tsy manan-trano aza.

Olana iray tsy mbola nahitana vahaolana maharitra ny fikarakarana ireo tsy manan-kialofana eto Antananarivo.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.