Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Lahateny firarian-tsoa : samy miandrandra taona zina Ravalomanana sy Rajoelina

Lahateny firarian-tsoa  : samy miandrandra  taona zina Ravalomanana  sy Rajoelina

Teny tsotra sady fohy nefa manan-danja. “Arahabaina, samy tra-pamonjena, ary nombam-pitahiana ka indro tratr’ ity andro anio ity. Koa tolorako ny arahaba feno firarian-tsoa ny tokantrano rehetra tsy ankanavaka samy tratry ny asaramanitra. Indro migadona ary ity ny taona 2018. Taona,  andrandraina hitondra fanantenana”, hoy ny lahatenin’ny filohan’ny Tetezamita, Rajoelina, amin’izao taona vaovao izao. Manantena ny tenany fa hitondra fahombiazana hanehoan’ny rehetra tsy ankanavaka ny firaisampo sy firaisankina  ny  taona 2018. “Mba  hitondra fahasalamana feno ho an’ny rehetra manerana ny Nosy anie ity taona ity, mba hahafahantsika manantanteraka ireo adidy masina rehetra miandry antsika… Fa ny fitiavana no lehibe  indrindra”, hoy  izy.
Etsy andaniny, niarahaba sy  nirary soa ny  vahoaka malagasy koa ny  filoha teo aloha,   Ravalomanana.

Tsy azo ihodivirana ny fifanarahana  politika

 Navoitrany ny hiatrehana  ny fifidianana.  “Kihon-dalan’ny tantatan’ny firenena sy ny vahoaka  malagasy ity taona ity. Hanova isika ary mila manana paikady nefa tsotra manomboka izao…”,  hoy izy, teny  Faravohitra omaly.  Natsidiny  sahady  fa ilaina ny diniky ny samy Malagasy, mialoha ny fifidianana  mba hisorohana ny krizy  eto amin’ny firenena.  “Tokony hirosoana ny fifanarahana politika. Ambonin’ny lalàna izany fifanarahana izany…”, hoy ihany izy. Anisan’ny  teny naverimberiny ny fandrosoana sy ny fandresena ary ny fanomezana fanantenana ny vahoaka, latsaka an-katerena amin’izao fotoana izao.

Synèse R. 

Les commentaires sont fermées.