Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hiova ny fandriampahalemana sy filaminana : niampy 58 indray ireo jeneraly eto amintsika…

Hiova ny fandriampahalemana sy filaminana : niampy 58 indray ireo jeneraly eto amintsika…

Tsy arakaraka  ny zava-misy. Anisan’ny nisongadina tamin’ny filankevitry ny minisitra farany, ho an’ny taona 2017 ny alakamisy teo,  ny fampiakarana laharam-boninahitra ireo kolonely sy jeneraly miisa 58 eto amintsika. Nampiakarina galona  ho jeneraly ireo kolonely 38. Manamboninahitra “general de brigade” 20 kosa, nampiakarina ho “general de division”. Anisan’ny  nahazo izany ny kaomandin’ny fari-piadidian’ny zandary Antananarivo,  ny Jly Andrianjanaka Njatoarisoa. Eo koa ny tale misahana ny fiarovana ny fiadidiaqna ny Repoblika, ny Jly Raharijaona Sedera.  Manampy izany ny Kly Ramiaramanana Joseph, lasa jeneraly. Efa  PDS teto Antananarivo ary nahavita be ho an’ny fitondrana raha nifanandrina tamin-dRavalomanana Marc momba ny  tany eny Andohatapenaka  sy ny fanagiazana fiara teny Anosipatrana.

Miharatsy ny fandriampahalemana

 Tsaraina amin’ny asa vita sy ny fahafehezana ary koa fisolelahana amin’ny mpitondra ny fampiakarana galona sy kintana, tahaka ireny, eto amintsika. Tena nahavita ny andraikitra nankinina aminy avokoa anefa ve  izy ireo ? Na ny teo alohan’ireo ? Ny tranga iainana sy hita anefa, tsy arakaraka  izany. Anisan’izany ny “Raharaha  Antsakabary”, nahavoarohirohy mpitandro filaminana. Ny tsy fahafehezana ny fiparitahan’ny basy. Eo koa  ny maha tafiditra na anisany mihitsy aza ireo mpitandro filaminana anaty fikambanan-jiolahy sy mpaka an-keriny. Ny fanaovana kolikoly…

Araka izany, mitombo ny isan’ireo jeneraly ary mety ho voalohany maneran-tany amin’ny fananana izany isika… Mitombo sy miharatsy manaraka  izany koa anefa ny  filaminana sy fandriampahalemanana ary ny gaboraraka arahin’ny fihoaram-pefy. Tena hifehy ireo eo ambaniny izany ireto nahazo kintana ireto ?

Randria 

 

Les commentaires sont fermées.