Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Toamasina : notsimbinina ny zokiolona sy ny ankizy sahirana

Toamasina : notsimbinina ny zokiolona sy ny ankizy sahirana

Nizara kilalao sy mofomamy ary vatomamy ho an’ ireo ankizy sahirana sy ny zanaky ny fikambanana ny vondron’ny tanora liana amin’ny fampandrosoana (Vital)  izay tarihin’ny filoha mpanorina azy, Mananjara Jaimes Antonio.

Efa mankalaza ny faha-15 taona niorenany ihany koa ny fikambanana ankehitriny.

Etsy amin’ny parisela 13/64 Beryl Rose kosa, tsy nanadino ireo zokiolona sy ankizy teo amin’ny fokontany misy azy ihany koa i Paza Yvette, izay mpamongady gazety eto an-toerana. Nizara menaka sakafo sy paty ary vatomamy sy bisky izy  ho an’ireo olona manodidina ny 100 mahery.

Raha izay hetsika nataon’ny fikambanana sy olon-tsotra dia mitaraina kosa ireo sarangan’ olona tena sahirana izay hiantohan’ny kaominina fa tsy mba nahazo ny anjara fanampiana fanaon’ny kaominina intsony hatramin’ny naha ben’ny Tanàna an-dRatsiraka Elisé.

Sajo

Les commentaires sont fermées.