Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Lanonana eto Antananarivo : hisava ny fahazoan-dalana ny kaominina

Lanonana eto Antananarivo : hisava ny fahazoan-dalana ny kaominina

Sesilany ny lanonana sy hetsika ho famaranana ny taona ato ho ato eto Antananarivo. Hentitra ny kaominina Antananarivo Renivohitra milaza fa hisava ny fahazoan-dalana izy ireo ialana amin’ny gaboraraka.

Nampahatsiahy ireo mpikarakara lanonana ny CUA fa mila mametraka fangatahana fahazoan-dalana eny amin’ny lapan’ny Tanàna, varavarana faha-36 izy ireo ho fanarahan-dalàna farany kely indrindra.

Tokony hisy ny fitomboky ny kaominina avokoa ireo tapakila rehetra ampiasaina ialana amin’ny hosoka sy ny fisandohana ary ho mariky ny fanarahan-dalàna ihany koa.

Nilaza ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra fa hisy ny fisavana ny fahazoan-dalana ataon’ny mpiasan’ny kaominina izay hitondra   karatra maha mpiasa azy ireo sy “ordre de mission” hitety ireo toeram-pilanonana sy misy hetsika samy hafa.

Hisy ny sazy sy onitra izay tsy maintsy aloan’ny mpikarakara ilay lanonana raha misy ny tsy fanarahan-dalàna hataon’izy ireo ao anatin’izany fikarakarana izany.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.