Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra – «Cosafa U20» : lasan’i Afrika Atsimo ny amboara

Kitra – «Cosafa U20» : lasan’i Afrika Atsimo ny amboara

Norombahin’i Afrika Atsimo faninenina  ny «Cosafa Cup”, sokajy U20 eo amin’ny taranja baolina kitra. Tsy navelan-dry zareo, hivoaka tao aminy izany ny amboara, tamin’ity. Resiny teo amin’ny famaranana, tamin’ny isa tery 2 no ho 1 ny Lesotho. Efa nitarika tamin’ny isa 2 no ho 0 ry zareo Afrikanina tatsimo, teo amin’ny fizaram-potoana voalohany. Raha tsiahivina, nandray anjara tamin’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany ho an’ny sokajy “Junior”, natao tany Korea Atsimo, ireto ekipan’i Afrika Atsimo, ireto saingy resy teo amin’ny fihodinana voalohany, rehefa resin’i Japana sy Italia ary nanao ady sahala tamin’i Orogoay. Nandrombaka ny laharana fahatelo, tamin’ity “Cosafa Cup” ity ny Faraonan’i Egypta, rehefa nanilika an’i Ogandà, tamin’ny isa 3 no ho 1.

Voahosotra ho mpilalao mendrika ilay Afrikanina tatsimo, Luvuyo Mkatshana, izay milalao ao amin’ny klioban’ny Bivest Wits. Marihina fa nihintsana aloha be ry zareo Zambianina, izay tompon’ny anaram-boninahitra farany. Tsy nivoaka tao anaty sokajy mantsy ry zalahy. Laharana fahatelo no nisy azy ireo. Fandresena iray nanoloana an’i Soazilande, tamin’ny isa 2 no ho 0 sy faharesena iray, nanoloana an’i Ogandà, tamin’ny isa 2 no ho 0 ary ady sahala samy tsy nisy nitoko, nanoloana an’i Malawi, ny vokatra vitan’izy ireo, tao amin’ny sokajy nisy azy.

Tompondaka

Les commentaires sont fermées.