Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Harena an-kibon’ny tany any Atsinanana : olana Ankeniheny-Zahamena, milamina Ambinaniniony

Harena an-kibon’ny tany any Atsinanana : olana Ankeniheny-Zahamena, milamina Ambinaniniony

Notanterahin’ny tale iraisam-paritry ny harena an-kibon’ny tany any Atsinanana, Amable Benjamin, tamin’ity volana desambra ity, ny tatitra momba ny asa vita amin’ny ankapobeny sy ny olana any amin’ny fari-piadidiany. Anisan’ny olana, ohatra, ny fitrandrahana tsy ara-dalàna sady manapotika ny tontolo iainana anatin’ny faritra arovana Ankeniheny-Zahamena, any Didy, faritra Alaotra.

Songadina iray notsiahivin’ny tale iraisam-paritra koa ny fifandroritana amin’ny fikarohana grafita any Ambinaniniony, distrikan’i Brickaville. Fikarohana ataon’ny DNI Metals izany ary azo lazaina fa efa milamina amin’izao fotoana izao. Nomarihiny fa betsaka ny ezaka ataon’ny mpiasa rehetra tsy an-kanavaka ka nitombo ny vola niditra amin’ny fanjakana tamin’ity taona ity. Nohararaotin’ny tale any an-toerana, Amable Benjamin, ny faran’ny taona toy izao nizarana sakafo ho an’ny mpiasa sy kilalao ho an’ny zanaky mpiasa.

Sajo

Les commentaires sont fermées.