Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fetin’ny Noely : nirary soa ny Malagasy i Hajo A.

Fetin’ny Noely : nirary soa ny Malagasy i Hajo A.

Tsy nanadino. “Mirary soa hoan’ny Malagasy  mpiray tanindrazana rehetra ny tenako amin’izao fetin’ny Noely izao. Ho tahian’Andriamanitra mandrakariva ny ankohonantsika tsirairay avy ary hitondra firaisankina sy fifankatiavana eo amin’ny fiarahamonintsika anie ity andro Noely ity”, hoy ny fanambarana  fohy nataon’ny  filoha nasionalin’ny antoko Malagasy miara-miainga, Andrianainarivelo Hajo, afakomaly.

Ankoatra izany,  nandray ny solontenan’ny fikambanam-behivavy avy any Ambanja ny  filoha nasionaly mivady ny faran’ny herinandro teo. Anisan’ny hetahetan’ireo vehivavy ireo rahateo ny  amin’ny mpanorina ity antoko ity ka notanterahin’ny depioten’ny  antoko Malagasy miara-miainga, Solaimana Mahamodo, voafidy tany Ambanja izany.  Nanohana ity solombavambahoaka ity rahateo io fikambanam-behivavy io fony izy nirotsaka  hofidina tany amin’iny faritra iny.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.