Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fanisana sy fanentanana mpifidy : marisarisa ny antoko sy ny firaisamonina sivily

Fanisana sy fanentanana mpifidy  : marisarisa ny antoko sy ny firaisamonina sivily

Hisy ihany ve ny fifidianana 2018? Ao anatin’ny fanavaozana ny lisitry ny mpifidy izao. Somary marisarisa amin’ny fanentanana mpifidy ny antoko politika sy ny firaisamonina  sivily, raha ny fijerin’ny Ceni. 

“Raha ny vaovao azo amin’izao fotoana izao, somary marisarisa ny fandraisana anjaran’ny antoko politika sy ny firaisamonina sivily amin’ny fidirana ao amin’ny vaomiera mpanao fanisana mpifidy eny ifotony, izay natsangan’ny Ceni mba hampangarahara tanteraka ny fanaovana ny lisi-pifidianana.”

Izay ny nambaran’ny filoha lefitry ny Ceni, Rakotonarivo Thierry, omaly, momba ny fanavaozana ny lisitry ny mpifidy hiatrehana ny fifidianana 2018. Raha ny tokony ho izy, mila solontenan’ny firaisamonina sivily sy ny antoko politika roa avy isaky ny antoko sy fikambanana ao anatin’io vaomiera mpanao fanisana mpifidy eny ifotony io, araka ny fanazavany. Nefa vitsy ny antoko politika na firaisamonina sivily mandefa ny solontenany ao anatin’izany amin’izao.

Marisarisa ihany koa ny fandraisana anjaran’ny antoko politika sy ny firaisamonina sivily amin’ny fanentanana sy fanabeazana ny vahoaka malagasy amin’ny fisoratana anarana amin’ny lisi-pifidianana. Manentana azy ireo handray andraikitra amin’izany ny Ceni, satria andraikitra iraisana ho an’ny firenena ny fanamboarana lisi-pifidianana. Eo koa ny fanentanana sy fanabeazana ny olona amin’izany fifidianana izany.

 Zava-dehibe ny fanavaozana ny lisitry ny mpifidy

 Hafatry ny Ceni amin’izao fisasahan’ny fotoana hifaranan’ny fanavaozana ny lisitry ny mpifidy izao àry: ho an’ny olom-pirenena feno 18 taona, iray volana sisa dia hifarana ny fanavaozana ny lisitry ny mpifidy. Zava-dehibe izao fanamboarana farany izao, mialoha ny hiatrehana ny fifidianana. Izay rehetra tsy voasoratra anarana ao anatin’izany hatramin’ny 31 janoary 2018, tsy mahazo mandray anjara amin’ny fifidianana sy ny latsa-bato rehetra amin’ny taona 2018.

Hamafisiny fa tsy fanavaozana tanteraka no atao, fa fanavaozana tsotra. Tsy misy olon’ny Ceni hitety na hizara taratasy isan-tokantrano amin’ny fisoratana anarana amin’ny lisi-pifidianana izany. Eny amin’ny fokontany no mipetraka ny lisi-pifidianana, ka andraikitry ny mpifidy feno taona ny misoratra anarana any amin’ny biraom-pokontany.

R. Nd.

Les commentaires sont fermées.