Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fetin’ny Noely : nankahery ireo mpiara-miasa aminy ny Seg

Fetin’ny Noely : nankahery ireo mpiara-miasa aminy ny Seg

 Tontosa tao amin’ny Toby Jeneraly Philibert Ramarolahy Betongolo ny lanonana firarian-tsoa sy fizarana nofon-kena mitam-pihavanana teo anivon’ny Sekreteram-panjakana miadidy  ny zandarimariam-pirenena (Seg) ho fankalazana ny fetin’ny Noely sy  ny faran’ny taona 2017 ary ho firarian-tsoa hahatratra ny taona 2018. Tonga nitarika ny lanonana ny jeneraly Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena ary nanambara fa ny tanjon’izao hetsika izao dia entina hanamafisana ny fifankatiavana sy firaisan-kina eo amin’ny mpiara-miasa rehetra eo anivon’ny Seg. Namerimberina hatrany izy mba hanohizana sy hanamafisana ny fifanajana, fifankatiavana ary ny fifanampiana eo amin’ny mpikambana rehetra mba hampiroborobo hatrany ny fikambanana.

J.C

Les commentaires sont fermées.