Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Asa fanaovan-gazety : maro ny handrefesana ny fahalalahana

Taona 2017, 66 ireo mpanao gazety maty teo am-panaovana ny asany, 326 naiditra am-ponja,  roa tsy hita, tsy re maty tsy re velona. Raha ny tarehimarika, somary nihena  ny loza nianjady tamin’ny mpanao gazety raha oharina tamin’ny taon-dasa, araka ny tatitry ny Reporters sans frontiers (RSF).

Saika asian-teny tsy tapaka ny fahalalahana eo amin’ny asa fanaovan-gazety. Maromaro ireo singa handrefesena izany fahalalahana izany.

1- Fahamaroan’ny gazety sy haino aman-jery ao amin’ny firenena iray. Miainga avy amin’izany ny fahafantarana ny hevitry ny maro samy hafa fijery, toy ny antoko politika, sendikà, fikambanana isan-karazany, sns.

2- Fahaleovantenan’ny gazety sy haino aman-jery. Fantatra avy amin’izany ny fomba fiasan’izy ireo sy ny fahafahany mamoaka vaovao feno momba ny fanjakana, raharaha politika, toekarena, sosialy.

3- Tontolon’ny asa fanaovan-gazety sy ny sivana. Hanadihadiana ny fepetra fanatanterahana ny famoaham-baovao.

4- Ny lalàna misy: handrefesana ny fahombiazan’izany lalàna izany ny fanatanterahana ny asa fanaovan-gazety .

5- Ny mangarahara. Misy ve izay mangarahara izay any anivon’ny sampandraharaha samihafa ka tafita any amin’ny famoaham-baovao ?

6- Fitaovana hoenti-miasa : refesina amin’io ny fahafahana, hahazoana mitrandraka vaovao amina toerana maro samy hafa. Fahampian’ny fitaovana hoenti-miasa midika fahaleovantena.

7- Herisetra : fisian’ny herisetra mihatra amin’ny mpanao gazety ny hahazoana mandrefy ny hasin’ny asa fanaovan-gazety.

Rehefa natambatra ny salanisa amin’ireo rehetra ireo, laharana faha-57 i Madagasikara amina firenena 180. Tsiahivina fa ny telo voalohany : i Norvège, Suède, ary Finlande ; ireo telo farany : Turkménistan, Erythrée, ary Korea Avaratra (diso ilay Korea Atsimo voasoratra teto omaly, ialan-tsiny indrindra).

R.Mathieu

 

Les commentaires sont fermées.