Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ampefilohakely – Fenoarivo : mpamily taxi maty voakapakapa ny antsibe

Ampefilohakely – Fenoarivo : mpamily taxi maty voakapakapa ny antsibe

Mpamily taxi iray, 53 taona no hita faty teny Ampefilohakely Fenoarivo omaly maraina tamin’ny 8 ora sy 30 mn. Novonoina tamin’ny fomba feno habibiana izy satria nokapakapaina ny antsibe, lasan’ilay nahavanon-doza ny fiara taxi Renault 9…

 Vonoan’olona miharo halatra no nitranga tamin’ilay mpamily taxi. Araka ny fanazavan’ny zandary, nifampiresaka tamin’ilay mpamily taxi ny tovolahy iray 25 taona tamin’io fotoana io fa misy olona halaina eny Ambohidrapeto ary haterina any Ivato. Nanaiky tokoa ilay mpamily ka nanaraka ilay tovolahy nifampiresaka taminy. Nony tonga teny Andohatanjona Anjakaivo, kaominina Itaosy anefa, nilaza tamin’ilay mpamily taxi indray ilay tovolahy fa mbola misy olona halaina eny Ampefilohakely ka najanona teo Anjakaivo ny fiara. Niampita lakana kosa izy ireo nandeha teny Ampefilohakely hoe haka olona. Tsy nisy akory anefa ilay olona hoe nalaina fa novonoin’ilay nahavanon-doza tamin’ny fomba feno habibiana ilay mpamily taxi ka maty tsy tra-drano. Niverina tamin’ny lakana ilay tovolahy naka ilay fiara taxi R. 9 rehefa avy namono ilay mpamily. Tsy fantatra anefa na tsy mahay mitondra fiara ilay mpamono olona fa niantso olona teo amin’ny manodidina izy ary nokaramainy hanatitra ilay fiara tany an-tranony eny Marobiby Itaosy. Nalain’ilay nahavanon-doza koa ny vola 45 000 Ar tany amin’ny mpamily taxi. Hitan’ny olona teny Ampefilohakely ny fatin’ilay mpamily taxi. Nandeha ny fikarohana nataon’ny zandary ka tratra, omaly tao an-tranony eny Marobiby ilay tovolahy nahavanon-doza. Niaiky fa tena namono sy nangalatra ilay fiara taxi, mbola hita teo an-tokontaniny. Naverina amin’ny tompony ilay fiara satria mpamily ihany ilay niharam-boina fa tsy tompon’ny fiara.

J.C

Les commentaires sont fermées.