Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Toamasina : manjaka ny lozam-pifamoivoizana

Toamasina : manjaka ny lozam-pifamoivoizana

Nisehoana lozam-pifamoivoizana telo samy hafa ary nahafatesana olona miisa efatra tao Toamasina, ny faran’ny herinandro lasa teo. Ny alahady teo, teratany karana iray nitondra fiara 4×4 nihazo iny RN 5 iny no nandona tovolahy nanao taingin-droa tamin’ny moto tao Ambalamanasy. Tsy fantatra na noho ny tahotra na tsy firaharahiana ireo naratra fa nirifatra nandositra avy hatrany ilay Karana nahavanon-doza. Ireo zandary tsy lavitra ny toerana nitrangan’ilay loza no niezaka namonjy azy roa lahy voadona mafy ireto ka nitondra azy ireo tany amin’ny hopitaly ao Morafeno. Fantatra nandritra ny fizahana nataon’ny mpitsabo fa nisy fahatapahana maromaro ny vatan’izy roa lahy noho hamafin’ny dona tamin’ilay fiara. Mbola afa-niresaka mombamomba ilay fiara nahavanon-doza izy roa lahy mialoha ny nahafatesany. Niainga avy tamin’izany ny fanadihadiana rehetra nataon’ny zandary, kanjo nitolo-batana teny amin’ny polisy misahana ny heloka bevava ilay karana nahavanon-doza.

Faharoa tamin’ny 11 ora antoandro tamin’io fotoana io ihany teo anoloan’ny tranombarotra Vazaha iray misy ny lalam-baovao mamakivaky an’i Mangarivotra, raim-pianakaviana iray 40 toana nitondra moto no voadonan’ny fiara 4×4 iray koa ka maty tsy tra-drano. Ny fahatelo, ny 18 novambra 2017 tamin’ny 5 ora hariva tao Mangarivotra ihany tovolahy 20 nitondra moto maty voahosin’ny kamiaobe.

Sajo sy J.C

Les commentaires sont fermées.