Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tenisy ambony latabatra : hiditra amin’ny “tournoi” farany ny seksiona

Tenisy ambony latabatra : hiditra amin’ny “tournoi” farany ny seksiona

Hotanterahina, ny 28 – 30 desambra ho avy izao, etsy amin’ny kianja mitafon’ny ANS Ampefiloha, ny “Tournoi” fahatelo sady farany, karakarain’ny seksiona Antananarivo Renivohitra, ho an’ny taranja tenisy ambony latabatra. Hiavaka ity fihaonana ity, satria hamaritana ireo mpilalao mianadahy, sokajy U16 hahazo ilay fiofanana, any Frantsa, ny taona 2018.

Araka izany, efa nampanantenain’ny filohan’ny seksiona sy ireo mpiara-miasa any ampitan-dranomasina fa hotolorana ireo izay mendrika nandritra ireo “Tournoi” telo notontosaina izany. Na izany aza, hisokatra ho an’ireo sokajin-taona rehetra ity fifaninanana farany ity, izay entina ihany koa hanakatonana ny taom-pilalaovana 2017. Ankoatra izay, efa mitsangana ofisialy ihany koa ny fikambanana “Ping-pong pour tous”, izay hanome sehatra ny filalaovana ity tenisy ambony latabatra ity, ho an’ny olona rehetra. Mbola hisy ny fampahafantarana izany fikambanana izany sy ny fandaharanasany.

Torcelin

Les commentaires sont fermées.