Anisan’ny nanaitra, ny taona 2017 teo, amin’ny sehatry ny fiompiana ny omby eto Madagasikara. Nakatona ireo orinasa sinoa, nanondrana henan’omby tany ivelany, indrindra tany Sina sy Vietnam, namoahana lalàna fa voarara ny fanondranana omby sy henan’omby any ivelany. Tsiahivina fa tsy eken’ny Vondrona eoropeanina ny fanafarana hena’nomby avy aty Madagasikara efa an-taony maro. Nahavariana anefa, tsy novain’ny fanjakana io lalàna mandrara ny fanondranana henan’omby any ivelany io, saingy nankatoaviny ny fanohanan’ny Banky iraisam-pirenena ny orinasa tsy miankina iray any Taolagnaro, hanatavy sy hanondrana henan’omby any ivelany.
Potika ny lalam-pihariana
Tranga iray hafa mahavariana amin’ny fepetra raisin’ny fitondrana koa ny fandrarana fivarotana ombivavy sy ny zanak’omby. Raisin’ny tantsaha sy ny mpiompy, toy ny fikambanana Fimpiomby, tsy manaraka ny fenitra toekarena izany satria tsy afaka mampitombo ny taranak’omby intsony ny tantsaha sy ny mpiompy rehefa tsy afaka mividy ombivavy (hiteraka) sy ny zanak’omby, hampitombo ny taranak’omby. Manampy trotraka ny asan-dahalo tsy mety foana.
Miantraika mivantana amin’ny omby eto Madagasikara ireo notanisaina ireo, mba tsy hilazana fa sao sanatria entina hamotehana sy hanafoanana ny taranak’omby eto Madagasikara mihitsy. Etsy ankilany, tsy manafatra taranak’omby avy any ivelany intsony isika eto Madagasikara, raha tamin’ny taona 2007 sy 2008 ny farany. Tandindomin-doza tanteraka ity lalam-pihariana ity !
Randria
Les commentaires sont fermées.