Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fitsaram-bahoaka sy fifidianana : Tsy atokisan’ny vahoaka intsony ny mpitondra

Fitsaram-bahoaka sy fifidianana  : Tsy atokisan’ny vahoaka intsony ny mpitondra

Tato ho ato, nirongatra indray ny fitsaram-bahoaka. Anisan’ny mahatonga izany ny tsy fandriampahalemana, ny fisian’ny fandrobana sy ady tany. Miteraka tsy fahatokisana ny mpitondra izany.

Rehefa mby amin’izay manahirana sy ny tombontsoany manokana ihany ny mpitondra vao mahatsiaro vahoaka. Amin’izao ankatoky ny fifidianana izao, mandeha ny fangatahana fotoana hoe hanaovana fampandrosoana. Efa nisy aza ny kabary nilazana fa izay tsy vita tao anatin’ny 50 taona, vitaina ao anatin’ny folo taona: fe-potoam-piasana roa.

Tsy matoky tena ny mpitondra? Na matahotra fitsaram-bahoaka amin’ny fifidianana…  Miharihary amin’ny fitsaram-bahoaka etsy sy eroa ny tsy fahatokisan’ny vahoaka intsony ny mpitandro filaminana sy ny fitsarana. Tsy afa-miala amin’izany ny fanjakana foibe, mampiasa ny mpitandro filaminana sy ny fitsarana ho fitaovana politika.

Tsy azo antoka ny fitandroana filaminana sy ny fitsarana

Tsy ara-drariny, ohatra, ny tsinjarana ny mpitandro filaminana: maro ary mirongatra avy hatrany raha vao misy fanahiana fidinana an-dalambe ahina hanohintohina ny toeran’ny mpitondra. Nefa zara raha misy sy ela izany amin’ny asan-dahalo mampitondra faisana ny vahoaka ifotony. Misy mpitandro filaminana aza voasaringotra na miray tsikombakomba amina asan-jiolahy.

Mifampitohy amin’izany ny raharaham-pitsarana? Tsy atokisan’ny vahoaka intsony fa misy hatrany ny tsimatimanota, ny dahalo ambony latabatra… Tsy misy izay fisaraham-pahefana, ny fampiharan-dalàna afa-tsy amin’ny madinika. Miteraka lonilony eny anivon’ny fiarahamonina ifotony izany, tsy fahatokisana ny fanjakana amin’ny ankapobeny.

Matahotra fitsaram-bahoaka ny mpitondra

 Hanao ahoana izany rehetra izany eo amin’ny fifandraisan’ny vahoaka sy ny mpitondra amin’ny fifidianana? Saika tsy mahataitra ny fitsaram-bahoaka, raha manohintohina ny fitondrana. Ny fitsaram-bahoaka amin’ny fifidianana izao no tena mahafadiranovana ny mpitondra, fa miharihary amin’ny fitsaram-bahoaka isan’andro ny tsy fahatokisan’ny vahoaka intsony.

Izay no anisan’ny mampirongatra ny fitsaram-bahoaka amin’izao ankatoky ny fifidianana izao? Mitsara alohan’ny fotoana ny vahoaka, raha manao fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana ny mpitondra?

R. Nd.

Les commentaires sont fermées.