Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fifidianana : mitaky fitsipi-dalao tsy mampifanditra ny JLM

Fifidianana : mitaky fitsipi-dalao tsy mampifanditra ny JLM

 Nitondra sosokevitra manoloana izao  raharaham-pirenena izao ny eo anivon’ny Jery lavitra ho an’i  Madagasikara (JLM). Anisan’ny vahaolana naroson’izy ireo ny fifidianana. “Dingana ihany izany. Zava-dehibe koa anefa ny famelàna malalaka ireo kandida rehetra afa-kirotsaka mba hitondrany ny anjara birikiny hanarenana ny firenena efa tena latsaka an-kanterena. Hapetraka koa ny fametrahana lalam-pifidianana tsy miteraka fifandirana”, hoy  ny mpikambana, Rasaony Pascal, omaly. Nambarany  fa miantoka ny fahadiovana sy ny fangaraharan’ny fifidianana hatao  izany.

Etsy andaniny anefa, manana andraikitra koa ny vahoaka amin’ny alalan’ny fandraisana anjara mavitrika amin’ny fifidianana mba hisafidianany ny filoha heveriny ho afaka mamaha ny olana iainany amin’ny andavanandrom-piainany, araka ny nambarany. “Mba ho isan’ireo mpiray antoka sy andraikitra amin’ny fampandrosoana ny firenena koa ny vahoaka, araka ny vinan’ny JLM : “Vahoaka vanona sy manana ny ampy, Madagasikara mandroso”, hoy ihany izy.

Olana iainan’ny vahoaka andavanandro…

Ankoatra izany, nohitsiny  fa taratry ny tsy fahaiza-mitantana ny anton’izao  olana  iainan’ny vahoaka izao. Ohatra  ny fitsarana, ny fananan-tany, ny fitsaram-bahoaka, ny kolikoly… “Tsy mijery ny tombontsoam-bahoaka ireo mpitantana. Manjaka ny fitiavan-tena sy  ny  fangoronan-karena ho an’ireo manana andraikitra… Heverina fa mpanakorontana ireo mitsikera. Sao kosa mba ny fanjakana no mampisavorovoro eto”, hoy izy.

Midika ho tsy fahampian’ny fahavononana sy ny traikefa hitantana ny firenena izany, araka ny fanambarany  ihany.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.