Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

BT Don Bosco – Tanora : mitaky politika mazava ny asa

BT Don Bosco – Tanora : mitaky politika mazava ny asa

 Tsy misy politika mazava ny  fanjakana momba ny asa ho an’ny tanora.  Tsy mahazo vahana  ny sehatra tsy miankina. Mandringa ary tsy mazava ny tanjon’ny fanofanana ho amin’ny asa”, hoy ny eo anivon’ny orinasa Alfa, Andrianantenaina  Herizo, tamin’ny famelabelarany, tetsy Antaninarenina, omaly.  Tafiditra amin’ny hetsika  “Andron’ny fiaraha-miombona antoka amin’ireo orinasa” izany ary niarahana tamin’ny Birao teknika  eo anivon’ny Don Bosco  (BTDB)  sy ny tsy miankina. Nivoitra fa tokony ho andry iray ho amin’ny fampiroboroboana ny toekarena ny  tanora.  Tsy afa-misaraka amin’izany ny fiaraha-miombona antoka amin’ny orinasa. Noraisina  ho ohatra ny fifandraisan’ny Tranoben’ny asa Don Bosco amin’ny fanofanana ny tanora noraisin’ny Alfa hiasa eo aminy. Natsidik’ireo namelabelatra koa fa tokony  hapetraka ny fanofanana mitodika amin’ny filan’ny orinasa.  “Firenena inona isika ? Tanora tahaka ny ahoana ny eto ary inona ny tiantsiaka hatao ?… Firenena mampindrana fa tsy ampindramina no tokony hisy eto ”, hoy ireo naneho  hevitra.

Nambaran’ny sasany indray kosa fa ilaina ny fanadihadiana hahafantarana ny mpanjifa sy ny mpifaninana.  Ny sehatrasa tiana hatao ary ny fidinana ifotony. “Mba ahalalana ny vola hokirakiraina hamoronana orinasa…”, hoy izy ireo.

Tsiahivina fa anisan’ny fotokevitr’i Don Bosco ny fanohanana sy ny fanampiana ny tanora. Anisan’izany izao hetsika natao izao.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.