Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ankatoky ny fety : ankizy 23 000 nampifaliana

Ankatoky ny fety : ankizy 23 000 nampifaliana

Ho fanamarihana ny fahatongavan’ny fety roa sosona, namalifaly ny ankizy amin’ny faritra dimy teto Antananarivo ny vadin’ny filoham-pirenena tamin’ny alalan’ny ekipa mpiara-miasa aminy. Ambohidratrimo, Ivato, Soavimasoandro, Androhibe ary Anosy Avaratra ny toerana nandalovan’ny mpilalao sarimiaina amin’ny fahitalavitra nokarakarain’ny Okalou nitondra tsiky ho an’ny kilonga madinika avy amin’ny fianakaviana sahirana sy mpianatra manodidina ny 23 000 mahery nandritra ny tontolo andro, omaly.

Ankoatra ny dihy sy fanentanana samihafa niarahana tamin’ny fikambanana skoto momba ny fahadiovana, nizarana fanampin-tsakafo (rano sy biskoy) ny ankizy rehetra nanatrika ny hetsika tamin’ny faritra dimy voalaza. Tamin’ny taon-dasa, ankizy 10 000 teo ho eo no nisitraka fety tahaka izao teto Antananarivo amin’ny distrikan’Atsimondrano.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.