Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Analakely sy ny manodidina : mitohana tanteraka ny fifamoivoizana

Tsy misy sahy miditra ao Analakely intsony na ny taxi-be na ny taxi amin’izao ankatoky ny fety izao. Mitohana tanteraka ny fifamoivoizana ao afovoan’Antananarivo ao. Manao ny hataony ny mpivarotra amoron-dalana izay tsy voafehin’ny kaominina intsony.

Maharitra ora 2 vao tafavoaka ao Analakely raha miditra eo Soarano hivoaka any Ambohijatovo. Ety Antanimena sisa dia mihodina ireo taxi-be avy aty andrefan’Antananarivo tokony hiditra ao Analakely.

Tsy mety hitondra olona mihitsy kosa ireo taxi raha tsy maintsy handalo an’Analakely satria lasa tsy mahaleo ny sarany ny vidiny.

Aleon’ny mpiantsena koa mandeha an-tongotra toy izay hiaritra  ny fitohanan’ny fifamoivoizana. Ny andro rahateo mafana ka manempotra ny mijanona ela ao anaty taxi-be tsy mihetsika, ny fofon’olona mamely.

Miakatra an-dRenivohitra ny ankamaroan’ny olona any amin’ny faritra rehetra akaiky fety toy izao manangona ny filana rehetra tokony ampiasaina any an-tanàna. Anisan’ny be mpiditra ny tsenan’ny sinoa etsy Behoririka. Mividy ireo kojakoja ilaina amin’ny fety ny mpiantsena. Anisan’izany ireo ravaky ny trano, ny akanjo sy kiraro…

Tsy hilamina ny fifamoivoizana raha tsy any amin’ny tapaky ny volana janoary vita fety any mihitsy raha ny mahazatra eto Antananarivo.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.