Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tetezan’i Bekiraro : Mpivady voatsatoka antsy tao anaty taxi

Tetezan’i Bekiraro : Mpivady voatsatoka antsy tao anaty taxi

Miverina ny lazan’ny tetezan’i Bekiraro. Notsatohin’ny mpanendaka ny antsy,  teo amin’ny làlana antsoina hoe “voron-damba” ny mpivady tao anaty taxi, afakomaly hariva. Nanivaka ilay fiarakaretsaka mba hialàna amin’ny fitohanan’ny fifamoivoizana, kanjo sendra ireo jiolahy. Nosakanan’ny dimy lahy mitondra antsy lava ilay fiara. Teo amin’ny mpamily ny sasany no niditra ary nanambana antsy teo amin’ny tendany. Vokatr’izany, lasa ny taratasin’ny fiara sy ny vola izay mba azon’ilay mpamily. Ny jiolahy hafa kosa, niditra tao amin’izy mivady tao amin’ny seza aoriana. Lasa ny finday, ny entana izay nentin’izy ireo ary koa ny paoketra izay nisy vola. Niezaka nisintona ny entany izy mivady, saingy tsindron’antsy avy hatrany no setrin’izany. Voa teo amin’ny tanany izy roa, izay mitondra vohoka ilay ramatoa. Voatery nentina teny amin’ny hopitaly izy ireo. Tsy naninona loatra ilay rangahy fa vitan’ny zaitra ny fitsaboana azy. Ramatoa vadiny kosa, tsy maintsy naiditra efitrano fandidiana.

Tsy mifidy asiana ny mpanendaka ary mamono fa ny aza sendra azy. Ankoatra ity ilay tovovavy mpianatra eny Ankatso, izay namoy ny ainy rehefa notsatohin’ireo olon-dratsy antsy teo amin’ny kibony raha mba namaly kely niaro ny fananany. Mbola ny andron’iny no nisehoan’ity tranga tetsy Bekiraro ity. Olona telo izany voatsindron’antsy ka ny iray, namoy ny ainy, tao anatin’ny andro iray. Aiza ny mpitandro filaminana?

Yves S.

Les commentaires sont fermées.