
Tsy miova amin’ny efa nambarany ary itoviany amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena. “Tsy naheno ary tsy mahalala didim-pitsarana momba ny mpanao politika izany izahay. Tokony havoaka dieny izao izany raha misy… Na izany aza, ny fianakaviambe iraisam-pirenena efa samy nilaza avokoa fa tokony halalaka ny fifidianana ahafahan’ny vahoaka mifidy an-kalalahana ny hitondra ny firenena”, hoy ny ambasadaoro amerikanina, Robert Yamate, omaly, teny Alarobia. Notsiahiviny fa tsy tokony hipetraka ny ahiahy ary tokony hitohy ny fanaraha-maso ny fifidianana mba ho demokratika tanteraka izany. “Tanjona ny fahaiza-mitantana ka mba ho eken’ny rehetra ny fifidianana sy ny vokany ary hiantoka ny fandrosoan’ny firenena”, hoy ihany izy.
Etsy andaniny, nanteriny fa tsy misy fepetra ny fanohanan’i Etazonia vola ny Ceni. Na izany aza, mitondra sosokevitra izy ireo fa tsy miditra amin’ny raharaha anatin’ny firenena. “Mba ho fanatsarana ny zotram-pifidianana ka hifanaraka amin’ny fahaiza-mitantana sy ny fanjakana tan-dalàna izany”, hoy ihany izy.
Tsiahivina fa nanome vola 1, 2 tapitrisa dolara hanohanana ny fifidianana amin’ny taona ho avy ny Amerikanina. “Natao hanampiana ny Ceni amin’ny fifidianana io vola io. Hanohanana ireo hetsika fanamafisana orina ny mangarahara ary hampitomboana ny fahatokisan’ny olom-pirenena ny zotra-pifidianana”, hoy i Robert Yamate.
Manao ho zava-dehibe ny fifidianana ny iraisam-pirenena
Naneho fahavononana ny Amerikanina hanohana antsika mba ho fifidianana azo antoka, tsy mitanila, andraisan’ny rehetra anjara ary tena hanehoan’ny vahoaka ny safidiny izany hatao izany.
Anisan’ny hampiasana izany vola izany ny fanofanana ireo mpiasa amin’ny fikirakirana ireo fitaovana ho amin’ny fifidianana. Manomboka ao amin’ny foiben’ny Ceni ka hatrany anivon’ny kaominina izany. Tafiditra ao anatin’izany ny famokarana sy f anapariahana fitaovana maro, toy ny bokikely amin’ny fitantanana fifidianana, ny fomba fanisam-bato, ny fandravonana ireo lalàna… Hampiasana io vola io koa ny fampirisihana ireo fiarahamonim-pirenena hanomana ny fifidianana. Ohatra eo amin’ny lafiny serasera sy ny fanairana na koa ny fanentanana ny isan-tanana momba ny fifidianana.
Midika izany fa manao ho zava-dehibe ity fifidianana ity ny fianakaviambe iraisam-pirenena…
Synèse R.
Les commentaires sont fermées.