Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

KMF/Cnoe : “Tsy mavitrika ny mpifidy”

KMF/Cnoe : “Tsy mavitrika  ny mpifidy”

  “Mahamenatra fa mbola ambany ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy amin’ny fifidianana.  Tsy nanao ny asany ve ny KMF/Cnoe sa sarotra antenina ny olona? Na mety ratsy ny fomba fanatonana nampiasaina tamin’ny fanentanana sy fanabeazana. Tsy fantatra”, hoy  ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe, Andriamalazaray Andoniaina, teny Tsiadana, omaly.  Noho izany,  hamafisina ny fanabezana olom-pirenena momba ny fifidianana.

Mandresy lahatra ny mpifidy ny KMF/Cnoe, tsy hionona amin’ny fijerena ny lisi-pifidianana ao anatin’ny vanim-potoan’ny fifidianana, manomboka ny 1 desambra ka hatramin’ny 31 janoary. Mila manamarina ny iray trano ny mpifidy, raha tafiditra ao anaty lisi-pifidianana izany na tsia. Eo koa ny fanamarinana ny mombamomba ny tena rehetra amin’ny lisi-pifidianana, fa tsy ny anarana fotsiny.

“Hatraiza ny fahatsapan’ny mpisehatra tsirairay avy ny andraikiny amin’ny fampiharana ny fitsinjaram-pahefana?” Izay kosa no nezahina novalina tamin’ny atrikasa teny Tsiadana nandritra ny roa andro, nifarana omaly. Nandray anjara tamin’izany ny avy amin’ny kaominina filamatra folo toa an’i Mahavelona (Foul-point), ohatra, Mahanoro, Betafo, Tsararafa-Farafangana… Hita amin’izany ny olom-boafidy sy ny olom-boatendry miisa 85: ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna, lehiben’ny distrika, firaisamonina sivily, olom-pirenena tsotra…

Andrasana koa ny fananganana ny rafitra ifotony fikaonan-doha, hijerena ny laharam-pahamehana sy ny hetahetan’ny vahoaka ifotony amin’ny fampandrosoana. Misy ireo kaominina efa nanangana izany, ary milaza fa mbola azo hatsaraina.

R. Nd.

Les commentaires sont fermées.