Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

“Kaiamba tafaray” : Hamerina ireo hira tsy faheno an-tsehatra

“Kaiamba tafaray” : Hamerina ireo hira tsy faheno an-tsehatra

Jean Kely sy Basth, Prosh’Ely, Zôzô Mananjary, Rija Oelijaona, Abdallah Matata, zanatsihanaka, Charles Martin, Vong Julien de Nosy Varika, Raminia Mananjary, Lendrema ary ny Grand Maître Tianjama. Hifandimby an-tsehatra hanafana ny fampisehoana “Kaiamba tafaray”, izay hotontosaina ny alahady 10 desambra ho avy izao, eny amin’ny kianjan’Antanikatsaka Itaosy, ireo mpanakanto ireo.
Misy amin’ireo no fanta-daza hatramin’ny nanombohany tany amin’ny taona 70 tany ka hatramin’izao. Ao koa anefa ireo tsy faheno firy intsony ny anarany, kanefa nanana hira nalaza sy nivoaka an-kapila tamin’izany fotoana izany. Ny hamerina ireny hira tsy faheno an-tsehatra kanefa nivoaka kapila tamin’ny andron’ny kaiamba ireny mihitsy no tanjona amin’ity fiarahana an-tsehatra ity. Efa nandrasan’ireo niaina ny vanim-potoana kaiamba izany, kanefa mahaliana ireo taranaka taty aoriana koa.

Zo ny Aina

Les commentaires sont fermées.