Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Is’art : Feno ny fandaharam-potoana

Is’art : Feno ny fandaharam-potoana

« Fond noir », io indray no lohatenin’ny fampirantiana tontosaina etsy amin’ny Is’Art Galerie etsy Ampasanimalo, mandritra ity volana desambra ity ary efa nisokatra ho an’ny mpitsidika, nanomboka omaly. Azo lazaina ho miavaka amin’ny efa natao hatramin’izay izy ity, satria ahitana ny fandraisan’anjaran’ny mpanakanto 11.

Izany hoe, karazan-javakanto maro : saripika, hosodoko, kanto araka endrika amam-bika, no hita ao. Tsy iza moa ireo mpanakanto ireo fa i Toxic, Mat Li, Loris, Miora Acker, Eric Rakoto, Temandrota, Tahina Rakotoarivony, Clipse Teean, Maherisoa Rakotomalala, Tolotra Ramboasolo ary i Taka Andrianavalona.

Ny amin’ity faran’ny herinandro ity kosa, hiavaka amin’ny maro ny hetsika hotanterahina ao amin’ny Is’Art Galerie, satria hisy ny fanasongadinana ny « beatbox », izay azo atao koa hoe gadona am-bava. « Human beatbox » ny anaran’ny hetsika, hatao anio hariva ary hanehoan’ny tanora maromaro mpiangaly izany ny talentany.

Fa anisan’ny mandray ny hetsika « Takalo haingo » andiany faha-10, dingana fahatelo ihany koa ny Is’Art Galerie. Miompana amin’ny tontolon’ny lamaody sy ny famoronana fitafy izy ity. Ho an’ny ao amin’ity foibe ara-kolontsaina ity, hisy ny filatroana hanehoana ny asa tanan’ny mpamorona maromaro : Nantenaina, Aria, VeloAry, Fifaliana, Imbazaha, Sandy, Ange, Lova Santatra, Hery Karl ary i MirzAingo. Rahampitso tolakandro no hanatanterahana izany.

Landy R.

 

Les commentaires sont fermées.