Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hevitra mandalo : Resaky ny mpitsimpona akotry

Fambolena sy onjan’ny fiakaram-bidin’ny tany

Tsotra ny fipetraky ny safidin’ny mpanan-tany : anana vokarina firy taona ao anatin’ny ampahan-tany iray no mifandanja amin’ny vidin’io tany io ? Samy mitsinjo ny fahitany tombotsoa ka tsy izany no mety antony hifanomezan-tsiny. Misondrotra isan’andro toy ny vidin-javatra rehetra ny vidin’ny tany. Miainga avy any ampovoan-tanàna ny fidangan’izany ary mihamalefaka hatrany arakaraky ny fahazoana ny sisin’ny tanàna. Tsy milaza akory izany fa mora dia mora ny any amin’ny kaominina manalavitra, na any Andoharanofotsy, na any Itaosy, na any Ilafy, na any Ambohibao samy maneno avokoa ny vidin’ny iray metatra toradroa. Manodidina an’Antananarivo raha mbola eo amin’ny 10 km eo ho eo dia midangana izay tsy izy, na izany lohasaha na tanimbary izany. Tazana toy izany ireo tanimbary nanaraka ny fefiloha aron’ny renivohitra, niteraka resabe ny fanotofana miala avy eo Andohatapenaka. Efa tsy takatra intsony ny vidin’ny tany raha tsy mpanefoefo ka tsy afaka monina intsony aza ny olona sasantsasany teraka teny amin’ny faritra toy ny eny Alasora, na eny ambadik’Anosizato mankeny amin’ny Forello. Ohatra anivon’ny hafa maro izany. Ny ahiana moa dia noho izay mety ho voatositosika hanalavitra ireo mpamboly izay mamatsy an’Antananarivo. Antoka ho an’ny mpanjifa ny fisian’ny mpamokatra tsy lavitra. Ao anatin’izao fahasahiranana noho ny fisondrotry ny vidin’entana, aiza ho aiza noho izao ny vidin’ny anana sy ny legioma raha toa mbola hanampy trotraka koa ny saran-dàlana ?

Manatona ity ny fety. Ny fahasahiranana anefa vesatra sy rahona mandodona mitady hanalokaloka ny filaminan-tsaina ka tsy dia tsara no mifampizara fanakiviana mialoha, nefa na izany aza tsy mety koa ny tsy mifampatsiahy ny fahoriana miandry. Ny solika efa tazana misondrotra toy ny fisondrotan’ny olona mora tonga fofona, ny ampitson’ny fety dia efa nanome fanantenana koa ny Jirama fa hampiakatra ny vidin’ny jiro. Samy tsy maintsy hizaka an’izany avokoa, asa izay hataon-dRafanjakana fa ny fitambatambaran’izany fisondrotra mitotototona toy izany dia atahorana hiantefa amin’ny vidin-javatra maro.

Léo Raz

Les commentaires sont fermées.