
Efa ho lava? Araka ny efa nambarany, nanao fitokonana fahatelo, nanomboka teny Tsaramasay hatreny Anosy ny taxi FTAR, omaly maraina. Tsy nahafaly ny ankamaroan’ny olona teny amin’ny manodidina teny izany. Raikitra ny horakoraka sy siotsioka ary ny tsy fahafaliana. Mamo rahateo ny lehilahy iray anisan’ny mpitarika ny hetsiky ny FTAR. “ Tsy ekenay ny fitakian’izy ireo… Miteraka amboteazy… Izahay tsy voakarama izany fa mahatsiaro tena ho voahelingelina ny fivelomanay andavanandro sy ny tsena noho ny ataon’izy ireo… Voahelingelina izahay fa mba andro fety izao hikaramana”, hoy ny nambaran’ireo olona sasany teo amin’ny manodidina naneho ny tsy fahafaliany. Tonga teny an-toerana anefa ny mpitandro filaminana, nandamina izany.
Afaka 15 andro ny valiny avy amin’ny minisitera
Na izany aza, noraisin’ny tale jeneralin’ny fitaterana an-tanety ao amin’ny minisiteran’ny Fitaterana, izy ireo. Nivoitra tao amin’ny fihaonana ny sosokevitra roa : ny voalohany, hajanona amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ny fitantanana ny fitsirihana ny taxi, fa tsy mankany amin’ny Omavet ary tanterahina ao Antsakaviro. Faharoa, hosahanin’ny ATT ny fitantanana ny taxi. “Mety amin’ny mpitantana ny FTAR avokoa ny sosokevita roa naroson’ny minisitera fa tsara aminy kokoa ny fandraisan’ny ATT ny raharaha satria iarahana manapaka ny zava-drehetra”, hoy ny filohan’ny FTAR, Raharinirina Clémence, omaly. Raha ny kaominina no hisahana ny fitsirihana: ny loko, seza ary fahadiovan’ny fiara no hojerena fa tsy ny lafiny teknika velively. Afaka 15 andro no azo ny valin-teny avy amin’ny minisiteran’ny Fitaterana amin’ny sosokevitra horaisina sy hampiharina.
Randria
Les commentaires sont fermées.