
Niakatra ho 121 amin’ny firenena 137 ny laharan’i Madagasikara amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena, araka ny nivoitra tamin’ny Forum économique mondial, vokatry ny firosoan’ny oniversite eto Madagasikara amin’ny rafitra LMD, nanomboka ny taona 2010. Porofo izany fa manan-danja ny fametrahana ny rafitra ho fampiakarana ny kalitaon’ny fampiananrana eny amin’ny oniversite sy ny Institut ary ny sekoly ambony eto amintsika. Hivoaka tsy ho ela koa ny paikady nasionaly momba ny fampianarana ambony hatramin’ny taona 2030, ka mila fanavaozana ny rijan-teny mifandraika amin’ny LMD hifanaraka amin’izany. Nivoaka ny taona 2008 ny rijan-teny voalohany ka tokony hampifanarahana amin’ny fivoarana.
Voalaza koa fa tokony havaozina isaky ny dimy taona ny “habilitation” ho an’ny tolotra fiofanana efa nahazo izany, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra ao amin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony, Profesora Rakotomahevitra Andrianelison.
Vonjy
Les commentaires sont fermées.