Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fanampian’ny Star : Nahazo « couveuse » ny Homi

Fanampian’ny Star : Nahazo « couveuse » ny Homi

Manana ny sampam-pitsaboana misahana ny fahasalaman’ny zaza (service de pédiatrie et néonatologie) malaza indrindra manerana ny Nosy ny etsy amin’ny Hopitalin’i Soavinandriana (Homi). Anisan’ny mampiavaka azy ny fandraisana an-tanana ny fitsaboana sy fanaraha-maso akaiky ireo zaza teraka tsy ampy volana, izay mihamaro hatrany tato ho ato.
Vokatr’izay, tsy ampy ny fitaovana enti-mandray ireo zaza tsaboina, ka sahirana ireo mpiasa ao amin’ity sampandraharaha ity. Nandefa fangatahana ny tompon’andraikitry ny hopitaly, ka namaly izany ny vondron’orinasa Star. Nahazo « couveuse » iray vaovao, mitentina 16 tapitrisa Ar ny sampam-pitsaboana ny zaza ao amin’ny Homi, hanampy ny efa misy. « Anjara birikinay amin’ny fandraisana an-tanana ireo zaza teraka tsy tonga volana, izay mila fitsaboana akaiky sy ara-dalana ny fanolorana ity fitaovana ity”, hoy ny nambaran’ny sekretera jeneralin’ny Star, Rabary Anna.
Misy mpitsabo 7, « paramédicaux » 20 ary mpiasa mpanampy 7 ao amin’ity sampam-pitsaboana ity amin’izao fotoana. Manana fandriana ho an’ny zaza miisa 45, saingy iray ihany sisa ny « couveuse » nandeha talohan’izao fanampiana izao.

Zo ny Aina

Les commentaires sont fermées.