
Nametraka fanamby. Anisan’ny ezaka hataon’ny Ceni amin’ny hiatrehana ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny taona ho avy ny hampangarahara izany.
« Ho azo jerena amin’ny finday ny anaran’ny mpifidy. Anisan’ny ezaka hatao izany ary mitady ny fomba rehetra hahazoana antoka ny zotram-pifidianana izahay manoloana ny ahiahy samihafa”, hoy ny filohan’ny Ceni, ny Me Rakotomanana Hery, omaly, tetsy Alarobia. Hanampy ny fijerena ny anaran’ny mpifidy amin’ ny rohy eo anivon’ny tranonkalam-pifandraisan’ny Ceni izany raha hirosoana ity fampiasana finday ity. Ankoatra izany, notsiahiviny fa hifarana ny 31 janoary izao ny fisoratana anarana anaty lisi-pifidianana. Hivoaka ny 15 avrily kosa ny lisitra farany. “Mbola ho avy koa ny fitsirihan’ny manampahaizana iraisam-pirenena izany miaraka amin’ny mpanao politika na mpanohitra na mpanohana ny fitondrana”, hoy izy. Nanome toky ny Ceni fa vonona hiantoka ny fifidianana ao anaty mangarahara miaraka amin’ny lalàna manan-kery.
Tokony hamoaka ny datim-pifidianana ny fitondrana
Ankoatra izany, nambarany fa ampy hikarakarana ny fifidianana ny vola eo an-tanana. Mizara roa rahateo ny famatsiam-bola eo anivon’ny Ceni. Eo ny avy amin’ny fitondrana amin’ny alalan’ny tetibolam-panjakana. “Fa eo koa ny tetikasa Sacem iarahana amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Tombanana ho 12 tapitrisa dolara izany hatrany amin’ny taona 2019”, hoy ihany izy.
Mbola mitaky amin’ny governemanta ny hamoahana ny datim-pifidianana izy ireo.
Synèse R.
Les commentaires sont fermées.