Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Andasibe : Mirongatra ny vaky fasana sy halatra taolam-paty

Andasibe : Mirongatra ny vaky fasana sy halatra taolam-paty

Mbola mihitsoka ao Andasibe ireo taolam-paty marobe natao tanaty gony lehibe efatra, tratra tany amin’ireo mpangalatra taolam-paty. Tratran’ny vela-pandriky ny zandary ao Andasibe ireo efa-dahy tompon’antoka tamin’ity halatra taolam-paty ity. Nohamafisin’ny zandary fa mpihavana avokoa ireto mpangalatra ireto. Nandritra ny famotorana nataon’ny zandary no nanoroan’izy ireo ny mpiray tsikombakomba no sady mpitady mpividy. Taolan-dava avokoa ny ankamaroan’ireo taolana tratra tany amin’ireo mpangalatra. Araka ny fanazavan’ny zandary hatrany, fa ny volana marsa 2017 no efa vaky ny fasana iray tany an-toerana ary nanao fanaraha-maso ireo jiolahy tompon’antoka tamin’izany ny zandary. Nisy tamin’ireo taolana no nafenina tany anaty lobolobo niandrasana mpividy.

Efa naiditra am-ponja vonjimaika ireo jiolahy tompon’antoka tamin’ity halatra taolam-paty ity.

J.C

Les commentaires sont fermées.