Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fiatrehana fifidianana : Hanentana ny olom-pirenena ny DFP

Fiatrehana fifidianana : Hanentana  ny olom-pirenena  ny DFP

Nanapa-kevitra izahay fa hiroso bebe kokoa amin’ny fanabeazana ny olom-pirenena eo amin’ny fifidianana hampirisihana ny olom-pirenena hanamarina na tafiditra na tsia ao anatin’ny lisi-pifidianana”, hoy ny mpandrindra ny Dinika ho fanavotam-pirenena  (DFP), i Doudou, afakomaly tetsy Ambatonakanga. Nanteriny fa  ilaina ho an’ny olom-pirenena tsirairay ny manamarina ny anarany ao anatin’izany lisitra izany. Maro anefa  ireo mbola tsy  rototra loatra amn’izany.  “Anisan’izany ny fahasahiranana mianjady eo amin’ny isan-tokantrano, ilaina ihany koa anefa ny fanairana mba tsy hatoritory ny olom-pirenena amin’ny fijerena izany anarany izany ao anaty ny lisitra”, hoy  ny DFP. Nambarany  fa  tsy voatery hiandry ny lalàm-pifidianana vaovao vao hanaraha-maso.  “Efa tokony hatao dieny izao izany satria mahatonga ny olona amana hetsiny manana kara-pifidianana, saingy tsy ao anaty lisitra. Eo koa ny tsy fahafantaran’ny olona ny tokony hatao.  Antony  hanabeazana ny olom-pirenena mialoha izany”, hoy ihany izy.

Synèse R. 

Les commentaires sont fermées.