Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Vondron’ny taxi matihanina : « Misy ny mpanakorontana… »

Vondron’ny taxi matihanina : « Misy ny mpanakorontana… »

 « Misy ny fikononkononana  hanao   fitokonana  ataon’ireo taxi ao amin’ny  FTAR . Heverinay izany fa  fanakorontanana ny   firenena sy    ny vahoaka, efa tratry ny fahasahiranana amin’ny fiainana. Mitaona ny namana  mpisehatra amin’ny taxi izahay fa  fotoana izao ahafahantsika  manararaotra  miasa  sy mitady  vola   amin’izao fety  izao. Mba tsaratsara ny karama »,  hoy ny filohan’ny fikambanana, Vondron’ny taxi matihanina (VTM), Randrianarisoa  Jeannot   omaly. Nohitsiny fa  tsy mitondra fampivoarana sy fampandrosoana  izany fitokonana izany ka hotoherina amin’ny alalan’ny  asa. « Hiharihary eo ireo  manana hevitra  tsy mampandroso  ny firenena.  Fotoana fiasana  izao  ka tsy tokony ho helingelenina ny fifamoivoizana », hoy ihany izy.   Notsiahiviny  fa  efa ao anatin’ny   fiketrehana   ny fampijoroana  ny fikambanana VTM  ho ara-panjakàna  izy ireo izao ary hivoaka tsy ho ela  izany.

Miantso ny mpitandro filaminana

 Efa anatin’ ny firosoana  amin’ny   fanatanterahana  ny vina  sy  tetikasa  ary  fandaminana   hanatsarana  ny sehatr’asan’ny  taxi  izy  ireo. « Hiseho miharihary  ho hitan’ny besinimaro tsy ho ela ny asa ataonay .  Ohatra,  hanana ny birao fiasany ny VTM.  Eo koa  ny  karatra  maha matihanina. Tanjon’izy ireo ny   fampiroboroboana  ny tanàna sy ny firenena mba  ho tombontsoan’ny mpanjifa   sy   fampiroboroboana  ny fampivelarana  asa ataonay  taxi. Teny fanevan’ny VTM :  “ ny asa fivelomako, anjara birikiko  amin’ny fireneko”.

Nanterin’izy  ireo fa  fotoana fiasàna  izao  ka tsy tokony ho helingelenina  ny fifamoivoizana   amin’izao andro  izao. “Mitaona  ny  mpitandro filaminana handray ny andraikiny  manoloana  ny  mety ho  fitokonana     hibahanana ny   lalana  izahay. Efa mitohana be izao  ny lalana mbola ampiana  fitokonana indray. Raiso tompoko ny andraikitrareo amin’izany  raha tsy hoe misy  tsikombakomba  indray angaha any ?”, hoy  izy.

Synèse R.

 

Les commentaires sont fermées.