Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Oniversiten’i Toliara : Tara ny antontan-taratasin’ny ora fanampiny

Oniversiten’i Toliara : Tara ny antontan-taratasin’ny ora fanampiny

Tara vao tonga ny antontan-taratasy milaza ny tambin-karaman’ny (saran’ny ora fanampiny) mpampianatra mpikaroka any amin’ny onivesiten’i Toliara. “Ny faran’ny volana oktobra lasa teo no azon’ny tomponandraikitra izany ary eo am-pikarakarana ny antontan-taratasy ny mpiasa misahana izany”, araka ny fanazavan’ny tale misahana ny fitantanana sy ny fandraharahana ara-bola ao amin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony, Rakotoarison Hery. Ho an’ny onivesite hafa, efa teny am-pelatanan’ny mpikirakira ny antontan-taratasy ny volana avrily sy mey. Misy ny fetrandro arahina amin’ny tetibolam-panjakana ary tsy maintsy arahina ny fepetra rehetra amin’izany. Mitaky fotoana ny fandinihana izany rehetra izany ary tsy vita vetivety.

Ho an’ny oniversiten’i Mahajanga, hiverina ny 8 janoary 2018 ny fampianarana aorian’ny fanavaozana sy fanadiovana tsy maintsy natao teny amin’ny tranon’ny mpianatra noho ny toe-javatra nitranga tany an-toerana. Hisokatra ny 12 desambra kosa ny fikarakarana ny “these” sy ny “mémoire” eny anivon’ny oniversite.

Vonjy A.     

Les commentaires sont fermées.