Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Morondava : Bajaj enina nisy nandoro noho ny resa-trosa

Morondava : Bajaj enina nisy nandoro noho ny resa-trosa

Tsy mbola nisy tahaka ity ! Nodorana ny Bajaj enina tany Morondava noho ny resaka trosa, omaly. Araka ny fanazavana, manana trosa amina tompona Bajaj miasa ao Morondava ilay ramatoa iray. Niakatra fitsarana ny raharaha noho ny trosa tsy voaloa. Voalaza fa tsy nahazo rariny teny amin’ny fitsarana anefa ilay tompon-trosa ka tezitra ary izao niafara tamin’ny fandorana Bajaj izao. Fantatra fa nosakanan’ity ramatoa sy ny mpiara-dia aminy ny Bajaj nandalo ary izao nandoro izao ireo olona ireo. Nambara fa misy taratasy fifanekena mazava izany trosa izany saingy tsy voaefa mihitsy.

Tsy mbola nisy aloha ny fandraisana andraikitry ny mpitandro filaminana, omaly. Efa may kila tanteraka ireo fananan’olona ireo, ary notazanim-potsiny. Notondrahin’ny mpandoro lasantsy mihitsy izany, ary naka toerana manokana.

 Ity resaka trosa ity izay mapahatsiahy ny zava-nitranga tany Toliara ka niafara tamin’ny fitifirana teratany karana iray. Tsy nahavoaloa trosa ka tany amin’ny fitifirana vahaolana hitan’ny iray. Izao indray miafara amin’ny fandoroana fananan’olona. Loza mitatao amin’ny fiarahamonina ny trosa. Amin’ny ankapobeny anefa, miaina anaty trosa ny ankamaroan’ny olona eto amintsika.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.