
“Efa tsy zakan’ny vahoaka intsony ny antsojay sy ny halatra ary ny famonoana ataon’ny dahalo. Tsy hiandry ny fampanantenan’ny mpitondra intsony izahay ka handray andraikitra hamongotra ny tsy fandriampahalemana”, hoy ny Fikambanan’ny terak’i Bara (Fitiba), Nakany Charly, omaly, tetsy Anosy. Tsy hiandry ela fa hidina ifotony ny mpikamban’ny Fitiba manomboka ny 22 desambra ho avy izao. Hanombohana izany ny ao amin’ny distrikan’i Betroka. Hitohy amin’ireo distrika 12 hafa izany avy eo. « Tsy hanaiky lembenana intsony izahay amin’ny ataon’ireo « Mafia ». Tanjona ny hanenjika ireo mpitondra manao kolikoly ka mampahazo vahana ny asan-dahalo» , hoy Raholinarivo Paolo. Nitondra soso-kevitra amin’ny hanakambanana ny dina ho iray koa izy ireo. “Mba tsy hisy fisarasarahana eo amin’ny vahoaka”, hoy izy ireo. Nampahafantarina tamin’izany koa ireo birao vaovao hitondra ny fikambanana Fitiba manomboka izao.
Synèse R.
Les commentaires sont fermées.