
Anisan’ny nisongadina tamin’ny fanehoan-kevitry ny filoha lefitry ny Ceni, Rakotonarivo Thierry, nivahiny tao amin ‘ny fandaharana Ambarao, ao amin’ny Alliance 92, omaly, ny fanomanana ny fifidianana. Teo koa ny antso avo sy fanentanana ho an’ny rehetra… Ampahan’ny resadresaka.
“Miantso fiaraha-miasa amin’ny governemanta izahay mba havoaka haingana ahafahana manazava ny sain’ny vahoaka ireo didy aman-dalàna hifehy ny fifidianana ary omena toky koa izy ireo fa hisy ny fifidianana ary hampafantarina ny vahoaka ny hatao. Aoka hitazona ny tsy fiandaniany ny fanjakana mialoha sy mandritra ary aorian’ny fifidianana”, hoy izy. Niantso fiaraha-miasa amin’ny mpanao politika koa ny Ceni amin’ny fanentanana sy ny fanabeazana ny vahoaka. Eo koa ny tokony hifanarahan’ny mpanao politika ka hametrahana ny fitsipika sy ny fitondran-tena hitondrana io fifidianana io ary ho eken’izy ireo ny vokatra mivoaka eo, araka ny nambarany. Nentaniny koa ny fiarahamonim-pirenena amin’ny fanabeazana sy fanentanana ary ny fanaraha-maso ny fifidianana. “ Manentana ny mpifidy, satria ain’ny fifidianana sy ain’ny firenena izany”, hoy izy.
Na izany aza, nambarany hatreto aloha tsy mbola fantatra ny lalao hatao. Hanao fitsapan-kevi-bahoaka ihany ve ? Hanao fifidianana depiote mialoha ny fotoana ? Atambatra ny fifidianana depiote sy filoham-pirenena, araka ny fanontaniany. “Marobe ny resaka tsy ahazoana fanamarinana amin’ny tompon’andraikitra manana fahefana amin’izany. Miteraka fahasahiranana amin’ny fanomanana ny fifidianana izany. Tsy mazava ny lalàna hatramin’izao”, hoy ihany izy. Nohitsiny fa maro ireo mitaky ny tokony hakana hevitra mialoha ny hamoahana ny lalana satria tsy lalàna tsotra io. “Lalàna hifehezana ny fifaninanana handraisan’ny maro anjara izany ka raha tiana ny hamoaka vokatra eken’ny rehetra, tsy maintsy eken’ny rehetra mialoha ny fitsipi-dalao. Mazava ho azy fa tsy hahazo fankatoavan’ny maro anisany vokatra eo raha tsy hitovian’ny rehetra hevitra ny lalàna”, hoy Rakotonarivo Thierry.
Nihena ny tahan’ny mpifidy…
Nambarany fa resy lahatra izy ireo raha fifidianana tsy azo antoka hamoaka vokatra eken’ny rehetra ny hiseho eo ary hiteraka korontana izany. “Tsy ho marin-toerana sy tsy afaka hiroso amin’ny fampandrosoana satria tsy mahazo ny fanohanana sy fanampiana avy amin’ny vahoaka”, hoy ihany izy.
Notsiahivin’ity filoha lefitra ity koa fa tsy miala amin’ny lalàmpanorenana izy ireo ary tsy misy mibaiko na mandray baiko na avy amin’iza na iza. Miasa amin’ny feon’ny fieritreterany sy ny lalàna velona amin’ny fanomanana fifidianana, araka ny nambarany.
Na izany aza anefa, manana ahiahy ny Ceni amin’ny fandraisana anjaran’ny mpifidy nefa
antoka lehibe ahazoana ny ho feneken’ny maro ny valim-pifidianana sy ho fanekena ny fitondrana marim-pototra izany. “Kely ny finoana ary manahy amin’izany izahay satria nihena hatrany ny fandraisana anjaran’ny mpifidy sy ny fisoratana anaty lisi-pifidianana hatramin ‘ny taona 1992 no ho mankaty”, hoy ny Ceni. Notsiahiviny fa mihena ny fisoratana anaty lisitra, ny isan’ny olona mandatsa-bato ary ny latsa-bato ataon’ny olona. Tsy latsa-bato tompon’andraikitra fa baikon’ny tombontsoa na teren’ny tahotra. Tsy baikon ‘ny fandaharanasan’ny kandidà na ny fampandrosoana firenena, araka ny fanahiany. Efa miezaka anefa ny Ceni ka anisan’ny vahaolana ny fanabezana sy ny fanentanana ny vahoaka.
Etsy andaniny, nanome toky ny vahoaka ny Ceni fa hangarahara tanteraka ny zotram-pifidianana, manomboka amin’ny lisi-pifidianana. Iangaviana fiaraha-miasa amin’ny mpanao politika sy ny fiarahamonim-pirenena izany. “ Ho mpikambana eo anivon’ny Ceni avokoa ny solontenan’ny kandidà ary hiaraka hanapa-kevitra sy mivory. Tsy vitan’izany fa azon’ny besinimaro atrehina ny voka-pifidianana ary havoaka isaky ny birao fandatsaham-bato (BV) mihitsy fa tsy vokatra amin’ny ankapobeny tahaka ny teo aloha. Ekena koa ny fampitahana ny voka-pifidianana, miainga amin’ny fitantanana an-tsoratra ( PV)”, hoy izy.
Hametraka tantara ho an’ny taranaka
Nentaniny ny rehetra dieny izao mba hisoratra anaty lisi-pifidianana satria hifarana ny 31 janoary izany satria tsy afaka mifidy intsony hatramin’ny 31 desambra 2018…”Aoka isika hihazakazaka hanao izany. Zava-dehibe ny fifidianana satria hametraka tantara ho an’ny firenena ny fifidna hatao ary hotsarain’ny tantara isika mpifidy amin’izao fotoana izao. Hisoratra anarana amin’ny lisi-pifidianana, ho tonga hifidy ary hanao latsa-bato tompon’andraikitra…”, hoy Rakotonarivo Thierry.
Synèse R.
Les commentaires sont fermées.