
Natomboka ny 20 novambra teo, teto Antananarivo, ny fankalazana iraisana voalohany ny « Taom-baovao iraisan’ny Malagasy ». Tamin’izany no nifanaiky ireo olobe tafavory fa hatao isan-taona ny fankalazana ka hitetezana ireo faritra rehetra eto amin’ny Nosy ny fanatanterahana izany. Ho an’ny amin’ny herintaona (taona 2018), tapaka fa ny faritanin’i Fianarantsoa no handray ny fankalazana ny « Taom-baovao iraisan’ny Malagasy », amin’ny 9 septambra 2018. Tonga nitatitra izany teny amin’ny biraon’ny lehiben’ny faritra Matsiatra ambony ny fanombohan’ny herinandro teo ny birao sy ny solontena avy ao amin’ny “Komity mpanomana ny Taom-baovao iraisan’ny Malagasy – Malagasy mampiray ny firenena” (KMTM-Mamafi), notarihin’ny filoha lefitry ny fikambanana Randrianantoandro Andriamahary Robert.
Nandray am-pifaliana io tolo-kevitra io ny lehiben’ny faritra Matsiatra ambony i Herizo Randrianasolo ary nanambara ny fahavononana amin’ny fanampiana tosika ho amin’ny fikarakarana sy ny fampahafantarana ary ny fanatanterahana.
Nanangona: HaRy Razafindrakoto
Les commentaires sont fermées.