
Notokanana, ny herinandro lasa teo, tany Fianarantsoa ny fotodrafitrasa vaovao nametrahana ny Sekoly ambony misahana ny fitantanana sy ny fivoaran’ny teknolojia (Emite) ao amin’ny oniversiten’i Fianarantsoa. Efa azo ampiasaina koa ny kianjan’ny serasera sy ny Lmd natokana ho an’ny mpianatra sy ireo rehetra liana amin’ny rafitra LMD. Afaka ifampizarana vaovao sy fialamboly ny toerana izay fanavaozana nentin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony. Ho firosoana amin’ny rafitra LMD, napetraka ny « e-atiala » ahazoan’ny mpianatra mikirakira ny connexion fitaovana ilaina hanamorana ny fianarana.
Tafiditra amin’ny famaranana ny fanamarihina ny faha-40 taon’ny oniversite ny hetsika izay natrehan’ny praiminisitra sy ny minisitry ny Fampianarana ambony, Rasoazananera Monique.
Ny taona 1977, roa ihany ny fakiolte nanome fampianarana teo amin’ny oniversite, fianarana lalàna sy ny mathématique ary ny fizika. Ny mpampianatra rahateo vahiny mpiara-miasa avokoa ho an’ny mpianatra anjatony. Amin’izao fotoana izao, 18 000 ny mpianatra amin’ny fakiolte valo, sekoly ambony telo ary ivontoeram-pampianarana enina ao amin’ny oniversite.
Vonjy A.
Les commentaires sont fermées.