Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

«Marathon international de Tana» : Nanjakan’ny Malagasy ny lehilahy ary Kenyanina ny vehivavy

«Marathon international de Tana» : Nanjakan’ny Malagasy ny lehilahy ary Kenyanina ny vehivavy

Tontosa, omaly alahady, ny andiany faha-17 amin’ny “Marathon international de Tana”. Tsy nisy nahatohitra ny atleta malagasy, teo amin’ny lehilahy. Nanjakan’ny Kenyanina kosa ny vehivavy.

 Jean de la Croix, teo amin’ny lehilahy ary i Sally Lagat Jebichi, ho an’ny vehivavy. Ireo no nandrombaka ny voalohany, teo amin’ny “Marathon international de Tana”, notanterahina, omaly alahady. Azo lazaina fa nanjakan’ny Malagasy ny lehilahy satria lasan’izy ireo avokoa ny telo voalohany. Niaraka tao anaty “péloton” ny Malagasy sy ny Kenyanina ary ny Etiopianina, hatreo amin’ny 38 km, ary tsy nifanary mihitsy, nahitana an’i Jean de la Croix, i Hobilalaina, i Fitoliana ary i Kiprono sy i Mengiste Benyam. Niala an-daharana, teo amin’ny faha-22 km, ilay Kenyanina, Kiprono Langat. Nandao ny hazakazaka ihany koa ilay Etiopianina, Benyam, 3 km tsy hahatongavana. Adin’ny samy Malagasy sisa ny hazakazaka. Nofehezin’ireo Kenyanina kosa ny teo amin’ny vehivavy. Ankoatra ny medaly, nomena lelavola 2 tapitrisa Ar ny voalohany. 1.500.000 Ar ny an’ny faharoa ary 1.000.000 Ar ny an’ny fahatelo, ho an’ireo sokajy roa ireo.

 Torcelin

 

Marathon lehilahy

1-Rakotomalala Jean de la Croix (Cnaps Sport) – 2 ora 32 mn 57 s

2-Andriamparany Hajanirina (Cosfa) – 2 ora 33 mn 22 s

3-Andrianirina Hobilalaina (Itasy) – 2 ora 33 mn 49 s

Marathon vehivavy

1-Sally Lagat Jebichi (Kenya) – 3 ora 04 mn 29 s

2-Asnakech Abeje (Kenya) – 3 ora 12 mn 48 s

3-Landinirina (Cospn) – 3 ora 26 mn 27 s

Foulées écolo (10 km) lehilahy

1-Mampitroatse (Cospn Boeny) – 33 mn 00

2-Rakotondrasoa Fulgence (Crown Vakinankaratra) – 33 mn 06 s

3-Hervé Patrick (Cosfa) – 33 mn 11 s

Foulées écolo (10 km) vehivavy

1-Mbolatiana (Cnaps Sport) – 41 mn 35 s

2-Ralisinirina Marthe (3FB) – 41 mn 41 s

3-Nanie (3FANS) – 43 mn 19 s

Handirun (10 km) lehilahy

1-Ludovic – 42 mn 50 s

Handirun (10 km) vehivavy

1-Mbola – 1 ora 17 mn 46 s

 

Les commentaires sont fermées.