Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra – C2RFM : Mitaky ny fanemorana fifidianana

Kitra – C2RFM : Mitaky ny fanemorana fifidianana

Nanambara ny C2RFM (Comité pour la renaissance et le redressement du foot-ball malagasy), tarihin’ny filohany, Ali Michel, fa tokony hahemotra ny fifidianana ligy sy federasiona. Nomarihin’ity fikambanana ity, fa maro loatra ireo olana, hita nandritra ny fifidianana teo anivon’ny seksiona fa tsy ireo telo, voalazan’ny Vaomieram-pirenena momba ny fifidianana (Cen). Anisan’ny nahitana olana ny teny Atsimondrano, izay nisian’ny kandidà iray, nametraka ny antontan-taratasy filatsahany ara-dalàna ary nahazo «accusé de reception», nefa tsy nampahalalaina akory ny toerana sy ny andro nanaovana ny fifidianana. Teo koa ny fisian’ny seksiona, tsy nahatontosa ny fiadiana ny ho tompondakany, nefa dia nifidy, raha tsy hitanisa afa-tsy ireo. Araka izany, tokony haato aloha, ny fifidianana kasaina hatao ato ho ato. Mitaky ny C2RFM, mba hampahafantarina ny olona rehetra ny fepetra anaty ny lalam-pifidianana, sy ny lisitra ofisialy, araka ny andininy faha-13. Manao antso avo amin’ny minisiteran’ny Fanatanjahantena, mba hijoro ny C2RFM, hanao ny tandrify azy hiaro ny rariny sy ny hitsiny, mba hampadio tanteraka ny fifidianana.

Torcelin

Les commentaires sont fermées.