Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fijerena ny sosialim-bahoaka : Tsy noresahin’ny filankevitry ny minisitra ny vidim-piainana

Fijerena ny  sosialim-bahoaka : Tsy noresahin’ny filankevitry ny minisitra ny vidim-piainana

Hiandry fipoahana ara-tsosialy sy korontana ? Voadingana tanteraka ary resaka  hafa mihitsy, tsy misy idiran’ny fiainam-bahoaka ny nodihihina tao amin’ny filankevitry ny minisitra,  tsy ara-potoana, natao  teny  Iavoloha ny asabotsy  teo. Na indraim-bava aza,  tsy voaresaka ny momba izao fiakaran’ny vidim-painana izao. Misongadina amin’izany ny filankevitry ny  minisitra izany ny  resabe momba ny fivoriana sy fivahiniana any ivelany.  Ny fanendrena mpiasam-panjakana ambony mbola mitohy hatrany hatramin’izao  ho an’ny minisitera sasany nefa tsy nisy minisitra niova na noesorina intsony. Fanomezana vahana ny namana sy ny  fianakaviana na mpiray fiaviana anaty minisitera?

Hanao randran-tarihina ny fiakaran’ny vidim-piainana

 Tsy voajery tamin’io filankevitry ny minisitra,  ohatra, ny vidin’ny vary, miakatra isan’andro  ary mihoatra ny  700 ar ny kapoaka na maherin’izany any amin ‘ny faritra  hafa. Eo koa ny vidin-tsolika… Hanaraka ho azy tsy ho ela ny vidin’ny arina fandrehitra sy ireo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro  (PPN). Miditra amin’ny fotoam-pahavaratra tanteraka rahateo isika , vanim-potoan’ny maitso ahitra. Tsy mba nisy fepetra na  vahaolana niainga avy amin’ny filankevitry ny minisitra  avokoa izany.

Efa fantatra fa tratry ny haintany sy ny tondra-drano  isika tamin’ny taom-pambolena teo ary anisan’ny anton’ny nahakely ny vokatra izany. Vahaolana hitan’ny fanjakana ny fanafaram-bary saingy  tsy nitondra  inona amin ‘ny vidin’ny vary  eto an-toerana izany. Izao iaraha-mahita  sy miaina izao. Mbola  ny eto an-dRenivohitra aza  izany fa ahoana ny vidim-bary any an-kodahoda sy ny  tany lavitra andriana  rehetra any ?

Tahaka izao ihany ny niandohan’ny pesta. Tsy noresahina tamin’ny filankevitry ny minisitra mihitsy raha tsy efa matin’izany valanaretina izany  ilay teratany vahiny.  Teo  vao nikoropaka…

Tokony  hametram-pialana ny tompon’andraikitra

Mbola  nambara indray anefa avy eo fa efa voafehy ny pesta… Telo volana aty aoriana, tafakatra 202 ireo maty ny niafarany. Ahina mety ho tahaka izany koa ity vidim-bary ity. Ho tonga amin’ny korontana na fifanjevoana, halatra sy fandrobana ny raharaha ? Any amin’ny firenena any ivelany ny tahaka izany, efa nametra-pialana ny tompon’andraikitra rehefa tsy voafehy na tsy mahita vahaolana. Ka ho  tahaka izany koa ny minisitera mahakasika mivantana izao sondro-bidim-piainana izao. Ny misahana ny Varotra, ny Fambolana, ny Mponina… Aiza manoloana izao fiainam-bahoaka izao ?

Fotoana itakiana vahaolana maharitra, tsy petatoko na afo mololo izao. Tokony handray ny andraikitra tandrify azy ireo tompon’andraikitra. Dieny tsy mbola  tara satria efa niteny avokoa ny mpahay toekarena, ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa fa ho ratsy izy ity…

Randria

Les commentaires sont fermées.