Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Faritra Vakinankaratra : Tsy handeferana ireo mpanafim-bary

Faritra Vakinankaratra : Tsy handeferana ireo mpanafim-bary

Tsy mitsaha-miakatra ny vidim-bary eny an-tsena. Betsaka ny mety ho antony mahatonga izany fiakaran’ny vidin’ny vary izany, isika rahateo mandalo ny fotoam-pahavaratra amin’izao fotoana izao. Efa manodidina ny 2000 Ar ny kilaon’ny vary eny amin’ny mpaninjara indrindra fa ny vary gasy izay efa tonga hatrany amin’ny 2200 Ar.

Miezaka mitady ny vahaolana rehetra mba tsy hisian’ny fihoaram-pefy na mety ho fanararaotana eo amin’ny fampiakarana mihoa-pampana izany vidim-bary izany ny ao amin’ny faritra Vakinankaratra.

Nidina nijery ifotony ary nitety ireo mpamongady ireo tompon’andraikitra mahefa ao Vakinankaratra notarihin-dRamatoa préfet, ny lehiben’ny faritra Vakinankaratra ary ny talem-paritry ny varotra sy ny fanjifana.

Nentanina ireo mpivarotra mba tsy hanararaotra ny vanim-potoana misy. Nojerena ireo tahiry  ka nahafahana namantatra ny mety na tsy ho fahampian’ny filàna eto amintsika. Tsy mbola misy ahina ny mety ho tsy fahampian’ny vary raha ny zava-misy eny amin’ireo mpamongady.

Hoenjehin’ny lalàna ireo minia manafina ireo entana tokony hamidy. Nanamafy ny lehiben’ny faritra ary hentitra dia hentitra fa mahakasika tanteraka ny sosialim-bahoaka ny tranga misy ka tsy handefitra amin’ireo mpamongady sasany minia manitrika ity foto-tsakafon’ny Malagasy ity.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.