Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fanjifana ao Toamasina : Miparitaka ny vary lo sy lany daty

Fanjifana ao Toamasina : Miparitaka ny vary lo sy lany daty

Tsy vitan’ny fiakaram-bidy efa tsy zakan’ny fahefa-mividin’ny mponina ny vary nohafarana ao Toamasina, fa mbola ahitana ihany koa vary efa tsy tokony amidy intsony miparitaka.  Tsy hita be ihany ny fandraisan’ andraikitry ny varotra sy fanjifana amin’ny fanaraha-maso . Tranombarotra iray no nahitan’ny sampandraharahan’ny varotra sy fanjifana ireo vary mitotaly 589 kitapo amin’ny 50 kilao ireto. Raha ny loharaom-baovao, hampifangaroan’ny mpivarotra amin’ny vary vaovao ireto vary lo sy efa lany daty ireo,

Ary amidy amin’ny mpanjifa hatrany.

Ny zava-mahagaga amin ‘ity raharaha ity, ny tsy fahasahian’ny sampandraharahan’ny varotra sy fanjifana mandray fanapahan-kevitra amin’ny tokony handorana ny vary efa tsy tokony amidy tahaka ireto.

Nahalalana ny fanadihadiana fa tsy vary ihany no entana simba mbola hita amidy eny rehetra eny fa karazan-tsakafo maro raha tsy hilaza ny fiparitahana hena tsy mandalo mpitsabo biby voatokana ho amin’ izany. Fantatra fa misy omby vonoina eny rehetra eny fa tsy ao amin’ny toerana voatokana ho famonoan’ omby. Manginy fotsiny ny sakafo anaty boaty lany daty sy vidin’ entana tsy mipetraka eny amin’ny entam-barotra.

Sajo

Les commentaires sont fermées.