Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Eto Antananarivo : Maloto be ny ranon’ny Jirama

Eto Antananarivo : Maloto be ny ranon’ny Jirama

Misotro rano maloto ny mponin’Antananarivo tato anatin’ny telo andro izao. Miloko volon-tany ny rano vatsian’ny Jirama ny tokatrano eto Antananarivo. Tezitra ny mponina.

Tena maloto ny rano mamatsy ny tokantrano rehetra eto Antananarivo nanomboka ny faran’ny herinandro teo. Nampimenomenona ny rehetra izany. Taorian’ny fahatapahan-drano naharitra tamin’ny herinandro teo dia izao rano maloto izao no tonga any an-trano.

Tsy azo ampisaina avy hatrany fa tsy maintsy atsika vao azo hanasana lamba ny rano mivoaka amin’ny paompin’ny Jirama. Matevina ny loto sy fotaka mandry rehefa avy atsika ny rano.  Mazava ho azy fa tsy azo sotroina raha tsy avy ampangotrahina koa ny rano.

Mila mitandrina ireo manana zazakely na amin’ny rano sostroina sy hanasana fitaovam-pisakafoa na ny amin’ny fanasan-damba satria tena saro-pady ny zaza madinika.

Tsy mbola misy ny fanazavana entin’ny Jirama hatreto. Efa tsy mahafa-po ny mpanjifa rahateo ny tolotra rehetra ao amin’ity orinasa ity na ny jiro na ny rano.

Sady ratsy ny kalitaon’ny tolotra kanefa lafo ny vola aloa. Manamarina izany ny faktora isam-bola izay mihamiakatra hatrany ny sarany na ho an’ny rano na ho an’ny jiro.

Vahaolana ny fampiasana angovo azo havaozina ho an’ny jiro izay efa mahaliana ny olona. Azo hatao koa ny fampiasana vovo mba tsy hiankinan-doha amin’ny Jirama intsony.

Randria

Les commentaires sont fermées.